Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Trafika indray: andramena 59 tratra tany Fenoarivo Atsinanana

Trafika indray: andramena 59 tratra tany Fenoarivo Atsinanana

Tratran’ny zandary, ny zoma 16 aogositra teo, ny bolabolana andramena miisa 59, tany Vohilengo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Fantatra fa tsy mbola nanaovana fanambarana tahiry ireto andramena ireto. Nanome vaovao ny mpitandro filaminana ny olona tsara sitrapo, nilaza fa “misy olona mitahiry andramena ao an-tokotaniny”. Nidina ifotony ny zandary ka voamarina tokoa ny fisiany, izay tsy lavitra ny seranan-dakana ao amin’ny fokontany Morondrano. Voarohirohy amin’izany ny olona roa mianadahy, ary nosamborina, voalaza fa tompon’ny tokotany ilay lehilahy ary tompon’ny hazo kosa ilay vehivavy.

Nentina tany Fenoarivo Atsinanana izy mianadahy ary nogiazana ao amin’ny tobi-miaramila ireo hazo andramena. Hatolotra ny fampanoavana ireo voarohirohy aorian’ny famotoran’ny zandary.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.