Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila vahaolana maharitra amin’izay…    

Mila vahaolana maharitra amin’izay…    

Mby aiza ny hoe fanovana na fiovana ahay eo amin’ny fiainan’ny vahoaka? Hafa ny tamin’ny fampielezan-kevitra nisy tsipitsipy kely sy fanambazana: tsy naharitra, tsy mahavelona, tsy nahahenika ny rehetra… Na izany aza, tsy ilaozan’ny karazana fanampiana sy vahaolana vonjimaika ihany etsy sy eroa amin’izay olana mahazo ny vahoaka ifotony andavanandro. Arahaba soa, arahaba tsara… Tsy misy mandà izany, saingy mandra-pahoviana?

Amin’izay fanatsarana ny fiainam-bahoaka izay, mby aiza izay tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra…? Tsy inona fa izay miainga amin’ny tena hetahetam-bahoaka; eny, na eo aza ny vina sy ny fandaharanasan’ny fanjakana ankapobeny. Samy manana ny maha izy azy ny isam-paritra sy ny isan’ambaratonga. Mila tomorina any ifotony? Misy farany ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra ary tsy tokony hisy zanak’Ikalahafa amin’ny fampandrosoana.

Mila politika sy vina ary fandaharanasa mazava ny raharaha, hampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny maha olom-pirenena azy. Tsy ho mpiandry sy ho mpitavandra fanampiana fotsiny izy fa arakaraka ny atao ihany no mahasoa na maharatsy; na eo aza ny andraikitry ny fitondram-panjakana amin’ny fanamorana izany, ohatra: fampanjakana fandriampahalemana, fanorenana fotodrafitrasa lehibe, fampiharan-dalàna, famatsiam-bola…

Mba tsy hihevitra ny vahoaka fa izay manome fanampiana azy no tena mahavita be ho an’ny firenena. Tsy asa soa na vahaolana vonjimaika manaitaitra tsinona no nifanarahana tamin’ny fifidianana ka ampindraman’ny vahoaka fahefana ny mpitondra fa asa fampandrosoana mahomby, mivaingana, azo antoka, maharitra, mahahenika ny rehetra. Inona ny iresahana izany rehetra izany? Ho avy indray ny fifidianana, efa fantatra be ihany…

Rehefa fifidianana vao tena tsaroana sy vonjena ny vahoaka? Na izay mahatolotolotra fa tsy mahavaha tanteraka ny olana no heverina ho inona na misy na tsia ny fifidianana… Tsy efa mila vahaolana maharitra amin’izay ve izao?

Rafaly Nd.     

Les commentaires sont fermées.