Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka

Ratsy fanombohana!

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio atsy Rabat, Maraoka, ny andiany faha-10 amin’ny “Lalao afrikanina”. Isan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, izay efa any an-toerana avokoa ireo solontenantsika hiatrika azy ity. Na tsy niara-nanainga aza izy ireny, antenaina fa hiara-hiombona sy hifanohana any an-tanin’olona any. Azo lazaina ho ratsy fanombohana ihany isika teo amin’ny fifaninanana ho an’ny taranja judo, tsy nahazo medaly na iray aza. Marina fa ambony ny haavo teknika ho an’ireo mpandray anjara, saingy fotoana kosa angamba izao handraisana lesona satria samy olombelona izao ny mifaninana. Ho voalohany amin’izay! Na ny filoham-pirenena na ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, samy efa nanambara sy namerimberina taorian’ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy ireny fa tsy maintsy voalohany amin’izay isika manomboka izao. Mazava angamba ny tian’izy ireo hambara. Mety hoe akaiky loatra angamba ity “Lalao afrikanina” ity ka tsy mbola azo ametrahana izany fanirian’ireo mpitondra ireo izany. Tsy misy fahagagana rahateo ny fahazoana vokatra eo anivon’ny fanatanjahantena, izay tena mila ezaka aman-taony maro vao mioty fahombiazana. Azo adika tsotra izao izany hoe, afaka efa-taona any vao hanomboka hifampitsara amin’izay ny rehetra satria miankina amin’ny fanomanana dieny izao ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena.

 

Mi Raz

Les commentaires sont fermées.