Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Adidy mavesatra no sahanin’ny  solombavambahoaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny vahoaka tao  Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, nahavoafidy azy ho depiote, ny faran’ny herinandro teo. Eo ny fanaraha-mason’ny Antenimierampirenena ny asan’ny governementa, ny fandaniana lalàna, ny fijerena ny tombontsoam-bahoaka… Tsy maintsy miverina eo amin’ny vahoaka izy, maneho fankasitrahana azy. Izay ny tamberin’andraikitra.

“Tsy hirotsaka ho ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriantongarivo, tao anatin’ny hetsika ”Tagnamaro”, teny Soanierana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy misy ambadika politika hoe akaiky ny fifidianana ny hetsika ”Tagnamaro” fa tena fanampiana tanteraka ny mponina hamalianay antson’izy ireo. Adidin’ny fitondram-panjakana ny mihaino ny fitarainan’ny vahoaka. Mbola tohizana amin’ny fotoana manaraka ny hetsika.

 

 

Les commentaires sont fermées.