Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telma: nanolotra fankasitrahana ho an’ny taranja basikety sy Atletisma

Tsy nijery fotsiny fa nanolotra fankasitrahana ireo mpilalao sy atleta malagasy, nahazo medaly nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo, ny orinasa Telma. Ity farany izay nanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena malagasy hatrany. Ny taranja basikety sy ny Atletisma no nahazo ny anjarany, omaly, teny amin’ny Galaxy Andraharo. Vola mitentina 20 tapitrisa ariary no natolotra nandritra izany, 5 hetsy ariary avy isaky ny atleta no azon’ireo nahazo medaly teo amin’ny taranja atletisma. 6 tapitrisa ariary avy kosa no azon’ny ekipam-pirenena lahy sy vavy, teo amin’ny taranja basikety, izay nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny andiany faha-10n’ny lalaon’ny Nosy, natao tany Maorisy. Tsy izay ihany, fa nisy fanomezana maro samihafa natolotra azy ireo, nisy ny “goodies” nomena ireo mpanazatra izay isan’ny nahazoana izao fandresena izao.

Nanambara ny avy eo anivon’ny orinasa Telma fa vonona hatrany izy ireo hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy ary hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo taranja isankarazany. Mankahery ireo mpilalao sy atleta rahateo amin’ny fifaninanana izay hataony  ny fampisehoana fihetsika toy izao sy ny fahitan’izy ireo ny fanohanana sy fanampiana atao aminy, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifaninanana goavana hatrehina, araka ny nambaran’ireo nisitraka ity fanomezana avy amin’ny Telma ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.