Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rallye Boeny: mitarika vonjimaika i  Fred sy A.T

Rallye Boeny: mitarika vonjimaika i  Fred sy A.T

Nitohy, omaly tany Mahajanga ny andro faharoa amin’ny “rallye Boeny”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, karakarain’ny klioba TFM. Nisongadina indray tamin’ity ny fandresen’i Fred sy i A.T, avy amin’ny Asacm, mitondra ny fiara Subaru Impreza. 51 mn 08 s 2 % ny fe-potoan’izy ireo. Manaraka azy, i Sitraka sy i Rado, avy amin’ny FMMSAM, mitondra ny fiara Subaru Impreza ihany koa, izay nahavita ny hazakazany, tao anatin’ny 51 mn 57 s 01%. Fahatelo, i Rivo sy i Ando, mbola mpanamorin’ny FMMSAM hatrany, miaraka amin’ny Subaru Impreza, izay manana ny fe-potoana, 52 mn 07 s 04%. Nifampitady tanteraka ireo mpifaninana, nandritra ny andro omaly. Nifandimbiasana mantsy ny nitarika, teo amin’ireo “ES”.  Raha, norombahin’i Fred ny “ES 7”, lasan’i Tahina kosa ny “ “ES 9”, namarana io andro faharoa io. Azo lazaina fa tena mbola hifampitana tanteraka ny rehetra, amin’ity andro fahatelo farany, hatao amin’ity asabotsy ity. Ny fanatontosana ny dingana manokana miisa enina, manomboka amin’ny “ES 10” ka hatramin’ny “ES 15”, no tsy maintsy hovitain’ireo mpanamory sisa mbola manohy ny fifaninanana.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.