Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nodiovina ny lalana handalovan’ny papa François

Nodiovina ny lalana handalovan’ny papa François

Ankoatra ny fanadiovana ny tatatra sy lakandrano eny anivon’ny boriborintany eto an-drenivohitra  efa fanaony, manamafy ny fanadiovana ny toerana mihazo an’Androhibe handraisana ny papa François ny eo anivon’ny Cua. Niainga teo amin’ny Pulman hatreny Analamahitsy ny nodiovina, ny 13 aogositra 2019 lasa teo. Nisy ny famafana ny arabe, ny fanapahana ireo bozaka sy lobolobo, fandraofana ireo fasika miangona eny amin’ny sisin’ny arabe. Tsy mijanona ho an’ny anio ihany ny asa fanadiovana. Mbola hitohy amin’ny faritra rehetra mizotra mankeny Androhibe misy ny kianja Soamandrakizay, hanaovan’ny papa François ny lamesa. “Manentana hatrany ny mponina mba hitandro ny fahadiovan’ny tanàna satria efa manadio  ireo tsy mandoto” hoy  ny eo anivon’ny Cua. Tafiditra amin’ny fanomanana  ny  fahatongavan’ny delegasiona hotarihin’ny  papa  François izao  hetsika izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.