Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalao Afrikana 2019: hisantatra ny fifaninanana ny taranja Judo

Lalao Afrikana 2019: hisantatra ny fifaninanana ny taranja Judo

Araka ny loharanom-baovao, efa lasa avokoa ireo atleta malagasy hiatrika ny andiany faha-12 amin’ny lalao Afrikana tanterahina any Rabat, Maraoka. Ny alatsinainy izao no hosokafana amin’ny fomba ofisialy ity lalao ity, saingy efa misy sahady ny fifaninanana, manomboka rahampitso asabotsy, Hiakatra an-tsehatra voalohany ary hisantatra izany ny taranja Judo, izay handraisan’i Madagasikara anjara. Miisa enina mianadahy ny solontena malagasy mandritra izany, hahitana an-dRasoanaivo Laura, Andrianivoravelona Tatiana, Ranaivoarisoa Fetra, Andriambololona Zo Hajanirina, Sergio Bernardin Karamaly ary i Kevin. Samy namiratra avokoa ireto judokas malagasy ireto nandritra ity taom-pikatrohana 2019 ity, nisy ireo niambozona medaly volamena, volafotsy ary alimo, nandritra ny lalaon’ny Nosy tany Maorisy, farany teo.

Tsiahivina, taranja miisa 11 amin’ireo taranja miisa 26 no handraisan’i Madagasikara anjara, efa tonga any an-toerana avokoa moa ny ankamaroan’ireo mpandray anjara rehetra raha toa ka mbola misy ireo izay eny an-dalana amin’izao fotoana izao. Ny alatsinainy izao no hanaovana ny lanonam-panokafana amin’ity lalao afrikana andiany faha-12 any Maraoka ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.