Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy ny ara-tafika ihany: nanao hetsika ara-tsosialy ny MDN sy Indonezia

Ho mariky ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny masoivohon’i Indonezia eto Madagasikara dia nisy ny hetsika ara-tsosialy niaraka tamin’ny « Croix Rouge Malagasy », ny alarobia teo tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra teny amin’ny masoivohon’i Indonezia eny Ankorondrano. Mpiasa miisa 44 mianadahy sivily sy miaramila avy amin’ny MDN notarihin’ny talen’ny kabinetran’ny MDN, ny Jly Rajaonarivony Alexandre no nanatontosa izany fanomezan-dra izany. Izao hetsika izao koa tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-74 taona nahazoan’ny Repoblikan’i Indonezia ny fahaleovantenany izay hankalazaina ny asabotsy 17 aogositra ho avy izao. Tsy voafetran’ny fiaraha-miasa ara-tafika ihany, araka izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta fa tsy latsa-danja koa ny hetsika ara-tsosialy.

J.C

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.