Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiroanomandidy: miara-miasa ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Asa

Tsiroanomandidy: miara-miasa ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Asa

Nidina ifotony tany Ankadinondry Sakay sy Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny vaomiera manokana Task Force, iarahan’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny ao amin’ny minisiteran’ny Asa, tamin’ity herinandro ity. Notetezina ny toeram-pivarotana sy ny orinasa tsy miankina samihafa. Tanjona ny hanarahan’ny mpampiasa ny lalà na ka hampidirana ny mpiasa ho mpikambana ao amin’ny CNaPS.

Nampianarina ny mpiasa koa ny tombontsoa omen’ny Tahirim-pirenena, ka misy ny antontan-taratasy fenoina. Miainga any amin’ny volan’ny bevohoka, ny an’ny mpitaiza kely, ny fanonerana ny lany teo am-piterahana, ny antsasa-karama, ny volan-jaza, ny solo takaitra sy ny saram-pitsaboana ho an’ny tra-doza am-perinasa, ny fisotroan-dronono, sns.

Nizaran’ny Task Force taratasy ho fenoina izy ireo ary tsy maintsy aterina mialoha any amin’ny CNaPS, ny 26 aogositra ho avy izao.

Nisy koa ny fanofanana ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny mpandraharaha tsy miankina, notarihin’ny talen’ny Fanaraha-maso Cnaps, Razafindraibe Jean Jacques, nampahafantarana ny lalàna mifehy ny asa. Tanjona ny hisian’ny asa mendrika araka ny baikon’ny fanjakana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.