Hita faty teo akaikin’ny toeram-piasany ao Surinam Maorisy ny fatin’ilay teratany malagasy antsoina hoe Randrianarison Henri Daniel, 38 taona, ny talata teo. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny gazety lemauricien fa tsy lavitra ny aquarelle clothing (toeram-piasany) no nahitana ny fatin’ity lehilahy niharam-boina ity. Nahitana ratra teo amin’ny tarehany, ny tanany, ny lohany sy ny tongony roa. Nentina tao amin’ny hopitalin’i Souillac ao Maorisy. Natao “autopsie” avy hatrany ny razana ka tamin’izany no nahafantarana fa ankoatra ireo ratra nahazo azy dia dona mafy tao amin’ny lohany koa no nitarika ny fahafatesany. Nambaran’ny tale misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa hiasan’ity lehilahy niharam-boina ity fa nanomboka ny alatsinainy lasa teo izy no tsy tonga niasa ary fantatra taorian’izay fa nisy olana teo aminy sy ny sakaizany. Mandeha, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy ao Maorisy momba ity raharaha ity. Omaly kosa no fantatra fa nalefa hihazo aty Madagasikara ny fatin’ilay niharam-boina.
J.C
Les commentaires sont fermées.