Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 « Supercodeur »: fialamboly sy fianarana nomerika

Tafiditra ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny ankamaroan’ny mpianatra, amin’izao fotoana izao. Mba tsy hahaverivery ny fotoana sady ahafahan’izy ireo miala voly, nanolotra fandaharanasa, antsoina hoe “Supercodeur” ny Orange Madagascar. Natomboka ny alarobia teo, tetsy amin’ny Lycée Jean-Joseph Rabearivelo, ny hetsika.

Sehatra iray ahitana fanentanana samihafa, izay mampiditra tsikelikely ny ankizy hifankazatra amin’ny tontolon’ny nomerika, ny “Supercodeur”. Amin’ny alalan’ny kilalao sy famoronana ary fifampizarana ny fianarana. Nisitraka voalohany izany ny mpianatra miisa 60, tao amin’ny Lycée J.J. Rabearivelo, tamin’ny fanombohana, izay niara-dalana indrindra tamin’ny fanamarihana ny andiany fahatelo amin’ny « Andro TICE », nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Antananarivo, ny Orange Madagascar ary ny fikambanana Techzara.

Hiparitaka amin’ny toerana maro eto Antananarivo ny « Supercodeur », izay iarahan’ny mpikarakara miasa amin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny nomerika. Manohana izany koa ny fikambanana Youth First, Tech Zara ary ny IKM. Ampianarina ny fototry ny “coding”, miaraka amin’ny “scratch” sy ny “algorithme” ny ankizy.

Lohahevitra amin’izany ny roa amin’ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD): ny tsy fisian’ny hanoanana intsony sy ny fampianarana ho an’ny rehetra. Natao ho an’ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona ny fandaharanasa “Supercodeur”, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana oktobra.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique