Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Stephanie: « Clip » mialohan’ny fandehanana any ivelany

Stephanie: « Clip » mialohan’ny fandehanana any ivelany

Mpanakanto manana ny laza iraisam-pirenena ! Raha ny fandaharam-potoan’i Stéphanie, hanatanteraka fitetezana an’i Eoropa izy, amin’ny volana desambra izao. Mialohan’io diany io, hanatontosa rindrantsary (clip) maromaro ity mpihira manana ny maha izy azy ity. Amin’ito herinandro ito, hivoaka ny « Raosy jamba », izay manana ny gadona afro-dance. Hira mitantara ny kilalao malagasy fahiny. Afaka 20 andro indray, hivoaka ny rindrantsary manaraka nampitondraina ny lohateny « Mitsapepy », karazan-kira na gadona afrotrad izy ity. Hira mitantara ny fahasahiranana misy eto Madagasikara, amin’izao fotoana, ny « Mitsapepy ». Raha adika malalaka, very hevitra tsy mahita izay atao ny hevitry ny mitsapepy. Azo adika ihany koa amin’ny hoe tsy mahatombina.

Fantatra fa natao tetsy amin’ny lalamby Ankorondrano ity rindrantsary ity. Nialana ilay nahazatra hatramin’izay, rehefa manao « clip » tahaka ny toerana na trano tsara tarehy satria ny zava-misy eo amin’io toerana io (lalamby Ankorondrano) mihitsy no manome aina ilay rindrantsary, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. « Mitsapepy », mitantara ny fiainan’ireo olona miady mafy amin’ny fiainana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.