Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – Fifanintsanana TOP20: hanohitra ny CNaPS ry zareo FTBA

Rugby – Fifanintsanana TOP20: hanohitra ny CNaPS ry zareo FTBA

Hiditra amin’ny andro fahatelo, ny faran’ny herinandro izao, ny fifaninanana hahazoana ny tapakila, hiatrehana ny fiadiana ny TOP20, eo amin’ny taranja Rugby. Fihaonana 5 no voalahatra hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ka isan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifandonana eo amin’ny CNaPS avy any amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony sy ny FTBA avy etsy Andohatapenaka, izay antenaina fa hiady. Tombanana ho sangany ny tompondakan’i Matsiatra ambony, izay niaraha-nahita ny fahaiza-manaony nandritra ireny lalao fitsapana sy ara-pirahalahiana natrehany teto an-drenivohitra ireny. Ankilany, fileovana manana ny maha izy azy koa ny Ftba, ary afaka manohitra tsara ireto mpifanandrina aminy ireto. Hanokatra ny andro amin’izany, ny fihaonana eo amin’ny Uscar sy ny Usi, izay tsorina ihany koa fa ady mbola tsy vita, efa nifankahalala hatramin’ny ela izy ireto ka ho hita eo izay hahery. Aorian’io, hifanazava ny Tam avy etsy Anosibe sy ny Vtma avy ao Antsalovana, mbola fihaonana tena andrasana koa, ny fifandonana eo amin’ny Savonnerie Tropicale sy ny Matadorea avy etsy Anosipatrana ary ny 3fb kosa hidona amin’ny 3fai. Eo am-piandrasana izany, toy izao no fandaharan-dalao rehetra. Alahady 18 aogositra – kianja Makis Andohatapenaka – 8ora 30mn: Uscar Kaomina # Usi Ikopa, 10ora : Tam Anosibe # Vtma Antsalovana, 11ora 30mn : Stm Savonnerie # Matadorea Anosipatrana, 13ora : 3fb fahasalamana# 3fai Vakinankaratra, 14ora30mn : CNaPS Matsiatra ambony # Ftba Andohatapenaka.

 

Mi.Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique