Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Neken’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni: hotanterahina ny  27 novambra ny fifidianana kaominaly

Neken’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni: hotanterahina ny  27 novambra ny fifidianana kaominaly

Raikitra amin’ity taona ity ihany. Hotanterahina ny 27 novambra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Nankatoavin’ny  filankevitry ny governemanta, ny  alarobia  teo, izany. 

Niainga tamin’ny tolo-kevitry ny Ceni  ny fanapahana noraisina.  Na izany aza, nahitsin’ny governemanta ny antsipiriany momba ny  daty natolotry ny Ceni. “Hanomboka ny alakamisy 29 aogositra  ka hatramin’ny 12 septambra ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina any amin’ny rantsam-mangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika”. Haharitra 15 andro izany  ny fametrahana ny firotsahan-kofidina.

21 andro ny fampielezan-kevitra

Hanomboka ny 5 novambra, haharitra 21 andro ka hifarana ny 25 novambra misasakalina ny fampielezan-kevitra. Andro fahanginana mialoha ny fifidianana, ny talata 26 novambra. Farafahelany, ny 14 janoary 2020 no havokan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eny anivon’ny faritany tsirairay avy ny voka-pifidianana ofisialy,  raha ny tolo-kevitry ny Ceni.

Tsy misy fiovana ny antoka na rotsa-bola haloan’ny kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, arakaraka ny sokajina kaominina hirotsahany avy. Fifidianana roa samy hafa no hatao amin’io andron’ny 27 novambra  io.

Mbola manan-kery ny kara-pifidianana 

Tahaka  ny mahazatra, nivoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fandrarana ny fivarotana sy ny fitsinjarana zava-pisotro misy alikaola manerana ny faritanin’ny Repoblikan’i Madagasikara : Ny talata 26 novambra, manomboka amin’ny 6 ora maraina ka mitohy ny tontolo andron’ny fifidianana, alarobia 27 Novambra 2019.

Natao ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny andron’ny fifidianana.  Etsy andaniny,  mbola manan-kery soa aman-tsara  ny kara-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana natao teo aloha.

R.Nd. sy Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.