Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianjan’i Barikadimy: vita hatramin’ ny 95 isan-jatony ny asa

Kianjan’i Barikadimy: vita hatramin’ ny 95 isan-jatony ny asa

Hotokanan’ ny filohan’ny repoblika tsy ho ela ny kianja manara-penitra vita amin’ny ahitra tsy voajanahary ao Barikadimy Toamasina. Efa vita hatramin’ny 95 isan-jatony ny asa fanamboarana rehetra. Tonga nijery ifotony sy nandray ara-teknika vonjimaika ny asa ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena , i Tinoka Roberto, ny andron’ny alakamisy 15 Aogositra teo. Raha eo amin’ny fotodrafitrasa, misy « vestiaire » miisa efatra sy trano fidiovana avokoa ao anatiny, miisa roa samihafa ihany koa ny efitrano ho an’ny mpanao gazety mpitantara baolina sy mpaka sary ary misy toerana ho an’ny manampahefana ambony. Mahatratra hatramin’ny 14 ny rihana ho an’ny toeran’ny mpijery baolina. Nambaran’ny minisitra fa efa nahazoana fankatoavana tamin’ny Fifa ny kianja ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa ny « piste » manodidina, izay mahazaka “couloire” miisa valo ho an’ny mpihazakazaka. Ny fandokoana sisa no tsy vita, izay misy fahatarana vokatry ny toetra’andro, raha ny fanazavana. Azo anaovana baolina amin’ny alina ny kianja, saingy tsy mbola mahazaka ny jirobe miisa 32 isa ny Jirama any an-toerana.

 

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique