Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kabary Fimpima: hiompanana ny zon’olombelona

Kabary Fimpima: hiompanana ny zon’olombelona

Tanterahina any Toliara ny « Herinandron’ny kabary ». Maro ny hetsika atao ao anatin’izany. Iray amin’ireny ny fivorian’ny antenimiera foibe izay manapaka ny asa hotanterahina amin’ny taona manaraka.

Ao anatin’ny « Herinandron’ny kabary » ankehitriny ny any Toliara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fametrahana ny tetikasa amin’ny taona manaraka indray. Anisan’izany ny lohahevitra hiompanan’ny ezaky ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) manomboka izao, raha ny tapaka nandritra ny fivorian’ny antenimiera foibe ahitana ireo filoha isan’ambaratonga voafidy farany teo. Niraisan’ny rehetra feo fa ny tontolo iainana indray no iaraha-manome lanja ka ireo asa isan-tsehatra hotontosain’ny Fimpima, ezahina hahitana izany avokoa. Tsiahivina fa ny zon’olombelona no nomena lanja teo aloha.

Fanapahan-kevitra lehibe ihany koa ny nandanian’ny antenimiera foibe fa hotontosaina isam-paritra ny « Faribolan’ny mpikabary » ka raisina ho andro iraisana amin’izany ny 16 novambra. Ahafahana mitrandraka ny harentsaina isam-paritra bebe kokoa ny antony hanaovana izany raha ny fanazavan’ny filohan’ny foibe Fimpima maneran-tany.

Fanapahan-kevitra fahatelo nandritra ity « Herinandron’ny kabary » ity ihany koa ny hanatontosana izany ao amin’ny faritany Fimpima Antsirabe, ny taona 2020.

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique