Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-pikambanana: nanao asa soa ny APMM

Fiainam-pikambanana: nanao asa soa ny APMM

Asa fanao andavanandro, saingy nomarihina manokana. “Anisan’ny fotokevitra ijoroan’ny finoana silamo ny hetsika tahaka izao : famonoana ondry na omby sy osy ary ifampizarana  amin’ny fiarahamonina na namana fianakaviana.  Tafiditra amin’ny “Id adha””, hoy ny  filoha mpanorina ny Association des predicateurs musulmans (APMM), i Ouztaz Zackaria Mohammad, tetsy 67 ha afakomaly.  Nizara henan’ondry ho an’ireo olona amin’iny faritra iny izy ireo tao anatin’ny andro maromaro.  Anarivony ireo nisitraka izany. “Fomba efa fanao izao ankoatra ny  asa soa  fanaonay matetika eny  anivon’ny fiarahamonina”, hoy ihany izy. Efa nanaovana hetsika, tahaka izany koa, ny any amin’ny faritra.  Nohitsiny, tsy mifidy finoana amin’ny fanaovana asa soa  ny  APMM.  Miara-miasa amin’ny malala-tanana izy ireo amin’izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.