Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanoherana: lany  ho filohan’ny « Rodoben’ny  mpanohitra » Ravalomanana

Tsy  ankiandriandry. Tafatsangana, omaly  avy  hatrany  ny vovonana antsoina hoe : « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara » . Anisan’ny  mandrafitra izany ireo antoko politika mpanohitra miisa 21 eto amintsika. Notanterahina , omaly teny Ivandry  ny fifidianana ny biraon’izany vovonana izany, ka lany ho filohany ny mpanorina sady  filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara  (Tim), Ravalomanana Marc. Ahitana filoha lefitra enina, misolo tena ny isam-paritany ity vovonan’ny  mpanohitra ity.

Hanao  fanambarana lehibe avy hatrany  etsy amin’ny Carlton Anosy izy  ireo,  anio, ho fantatra amin’izany  ny fotokevi-dehibe hijoroany  sy  ny anton’ny fitambarana ary koa ny hetsika sy ny dingana  rehetra hatao,  amin’izao  fitsanganany  izao.

Tsiahivina fa mbola hodinihin’ny parlemanta  :  Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona  ny  sata  ho an’ny mpanohitra sy ny lalàna momba ny fanoherana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.