Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana ifotony: mpandray anjara feno ireo manana fahasembanana

Fampandrosoana ifotony: mpandray anjara feno ireo manana fahasembanana

Manaitaitra ny tompon’andraikitra hampandray anjara ireo olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fikambanana Merci. Miantsehatra eny ifotony izy ireo amin’izany. 

Anjaran’ny kaominina Talatamaty, omaly no nananganan’ny ONG Merci ny Kolejin’ny olona manana fahasembanana. Nofidiana tamin’izany koa ny solonten’ireo vondron’olona ireo hiditra ao anatin’ny rafitra fikaonan-doha eny ifotony.

Navondron’ny fikambanana Merci ireo olona manana fahasembanana ireo. Nasaina namoaka ny heviny mikasika ny fampandrosoana ifotony eny amin’ny fokontany sy ny kaominina, izy ireo. Ireo solontenany ao anatin’ny rafitra fikaonan-doha ifotony no hitondra ny hevitra ao anatin’ny drafitrasa fampandrosoana ny kaominina handraisan’ny daholobe anjara.

Tsy tafiditra tao anatin’io rafitra io mihitsy ny olona  manana fahasembanana hatramin’izay  ka izao entanin’ny ONG  Merci izao.

Efa niasa tamina kaominina  maromaro izy ireo  nanentana ireo olona manana fahasembanana sy manaitra ny tompon’andraikitra ifotony ny amin’ny tokony handraisan’ireo  vondron’olona ireo anjara amin’ny fampandrosoana. Tanjona ny hanokanan’ny kaominina tetibola manokana mihitsy ho an’ireo olona manana fahasembanana ireo hanamorana ny fivezivezen’izy ireo…

Nilaza ny tale mpanatanteraky  ny ONG  Merci ,  Rakotoarisoa Holiniaina fa mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ireo olona manana fahasembanana ary manan-kevitra tsy azo tsinontsinoavina izy ireny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.