Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa mihetsika ny ekipan’ny fahasalamana: olona sivy nahina ho voan’ny pesta 

Sivy ireo olona nahina fa tratran’ny aretina pesta amin’ny distrika 47 itrangan’ny aretina matetika eto amintsika, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio. Telo ny olona efa voamarina fa voan’ny aretina pesta atoditarimo tany Arivonimamo fa tsy misy ahina ny amin’izy ireo. Antony mampirongatra ny aretina pesta, manomboka volana aogositra hatramin’ny avrily ny fandoran’ny olona ny atiala sy ny tanety ka mandositra any amin’ny tanàna ny voalavo, mitondra ny parasy mitarika ny pesta. Eo ny tsy fitandremana amin’ny fahadiovana isan-tokantrano. Raha voatandrina ireo, hihena ny isan’ny trangana aretina pesta. Efa am-perinasa ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana manentana ny olona amin’ny fahadiovana sy amin’ny tsara ho fantatra momba ny pesta. Misy ny vahoaka no manda ny handray ny fandaminana entin’ny ekipa rehefa mitranga ny aretina fa tokony hihinana fanafody ary handrarahana fanafody ny tokantrano ahina.

Ho an’ny tany Faratsiho, tsy aretina pesta no nahazo ny olona voalaza fa narary fa aretina hafa mitovy fiseho amin’ny pesta. Taorian’ny fanadihadiana tany amin’ny laboratoana no nahazoana ny fanamarinana fa tsy voan’ny pesta ilay olona.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.