Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote Edizar: « Misy mandoto rano ao Vohemar »

Depiote Edizar: « Misy mandoto rano ao Vohemar »

Tsy nitsitsy fitenenana.  “Misandoka andraikitra ny kandida IRD tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo ary  mitonona ho depiote. Mampisavoritaka ny saim-bahoka izany satria olona tsy voafidim-bahoaka izy io.  Manaratsy endrika  ny vovonana IRD sy ny filoha Rajoelina izany. Tena mandoto  rano”, hoy ny depioye voafidy tao Vohemar, Edizar. Nanteriny fa efa mipetraka ny fanjakana tan-dalàna ka manaitra ny tompon’andraikitra ny  tenany mba hijery akaiky izao raharaha izao. “Fandikan-dalàna  tsotra izao ny ataon’io kandidà tsy lanim-bahoaka io ”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany,  nanteriny  fa manomboka mivaha ny olan’ny tantsaha any amin’iny faritra Sava  iny, indrindra any amin’ny distrikan’i Vohemar. Anisan’ny anton’izany ny  fanamboaran-dalana fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena ka nampidina ny saran-dalana  sy ny vidin’ny entana  ilaina  andavanandro (PPN). Noraisiny ohatra amin’izany ny vidin’ny simenitra efa  30 000 Ar raha 50  000  Ar izany teo aloha.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique