Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BDD: nahazo fitaovana hanisana ireo basy manerana ny distrika 119

BDD: nahazo fitaovana hanisana ireo basy manerana ny distrika 119

Natolotry ny talen’ny fanompoam-pirenena sy fiandry ao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rasolonirina Jean Baptiste, ny anjara fitaovan’ny distrikan’Atsimondrano, ny alarobia teo. Ao anatin’ny fanatsarana ny asa fanisana sy fitsarana miaramila ary fitahirizana ireo antontan-taratasy mikasina ny basy manerana ireo distrika 119 eto Madagasikara ka hampiasain’ny biraon’ny distrika misahana ny fiarovana eny Atsimondrano (BDD) ireto fitaovana ireto. Fitaovana, toy ny ordinatera miaraka amin’ireo kojakoja mifanaraka amin’izany. hihatsara ny fomba fiasa avy amin’ny fampiasana ireto fitaovana ireto, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano, Rakotonierana Lubertin. Nisaotra ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny fitondram-panjakana izany tamin’izao fampitaovana izao. Nisaotra manokana ihany koa ny tompon’andraikitry ny fiarovana eny amin’ny distrikan’Atsimondrano, ny GHC, Randriamananjara. Ireto fitaovana ireto dia fampitaovana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena “Pnud”.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.