Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara Tsimenatra II: tratran’ny Fip ny lehilahy iray mpanamboatra basy

Tratran’ny polisin’ny Fip Toliara tao Tsimenatra II Toliara, ny alahady lasa teo ny lehilahy iray 26 taona, voarohirohy amin’ny raharaha fanamboarana basy vita gasy. Araka ny fanazavan’ny polisin’ny Fip, andro maromaro talohan’io dia nahazo loharanom-baovao ny  polisin’ny Fip ao Toliara fa misy lehilahy iray manamboatra sy mivarotra basy any amin’iny faritra iny. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny polisy ka tratra tao Tsimenatra II ilay lehilahy voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanamboarana fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Tratra tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny basy poleta iray vita gasy sy basy lava maromaro miaraka amin’ny balana basim-borona (basim-borona miisa efatra, revolver, PA, bala maromaro ary fitaovana fanamboarana basy). Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ahina ho mpamatsy basy lava ireo dahalo any an-toerana sy miray tendro amin’ireo malaso izy ity. Natolotra ny polisy misahana ny heloka bevava ao Toliara ity lehilahy ity hanohizana indray ny fanadihadiana.

J.C

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique