Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Savorovoro tao Morarano – Toamasina: « Nahita karandohan’olona maromaro aho… », hoy ilay tovovavy

Nifampiresaka ary nitantara tamin’ny mpanao gazety momba ity raharaha ity ilay tovovavy 21 taona sy ny rainy, omaly antoandro. Nilaza izy fa R.E ny anarany ary manana mari-pahaizana bakalorea, ny taona 2016, manana mari-pahaizana momba ny fikirakirana sakafo ihany koa izy, araka ny filazany mialoha izao fijoroana vavolombelona nataony izao. « Satria tsy an’asa aho ka tsy tiako ny mipetrapetra-potsiny ao an-trano, ny raiko rahateo efa misotro ronono amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ka nandeha nitady asa aho ary nihazo ny lalan’Ambolomadinika dia nahita ny soratra teo amin’ny dokotera Jacques Ambolomadinika hoe mitady mpiasa vavy ato », hoy izy. Nilaza tamin’ny mpiambina izy ary niantso tany ambony rihana ny mpiambina fa misy mitady asa ao, tamin’izay indrindra no nahazo valin-teny hoe ampidiro. Nalefa niakatra tany ambony rihana aho ka renim-pianakaviana sinoa no nandray ahy tao. Nanontany ny momba fahavononako izy ary nilaza hoe mbola hanontany aloha fa tsy mbola hiasa. Niezaka nandresy lahatra ahy izy ka nasainy nandro tao amin’ny fandroana ao anaty “baignoire” efa feno rano aho, izy rahateo nilaza fa mbola haka zavatra tao ambadika tao ka tamin’izay indrindra no nahitako ireo karandohan’olona tao anaty efitrano fandroana satria notsofin’ny rivotra ny lambam-baravarana, hoy hatrany ity tovovavy ity. lasa nitsoaka avy hatrany ilay tovovavy taorian’izay ka nitantara ny zava-misy tamin’ny rainy sy ny manodidina azy. Nanomboka nitangorona ny olona taorian’izay ary nikasa hiditra tao amin’ity tokantrano ity. Tsy nahita na inona na inona kosa anefa ny mpitandro filaminana nandritra ny fisavana ity trano ity.

Sajo

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique