Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota »

Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota »

Tokony hiova ny fomba fiasa ary ho mailaka sy madio. Tsy tokony hanjaka intsony ny tsimatimanota. Hamondrona ny hery rehetra hamongorana ireny fanetriben’ny firenena ireny isika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques , ny alatsinainy teo.  Nitokana ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany ao Morombe,  faritra Atsimo Andrefana ny minisitra tamin’io fotoana io. Nambarany fa tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny tsirairay hialana amin’ny fomba ratsy maha voasokajy ny fitsarana ho anisan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly. Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ny Pnud ny minisitra ary nanentana ny mpiara-miasa rehetra mba hihavao toy ny fotodrafitrasa vao notokanana.

Fiaraha-miasa amin’ny Pnud

Nampitandrina ny tenany nandritra izany ny amin’ny tokony hitandrovana fatratra izao fananana iombonana izao. Tsiahivina fa simban’ny rivo-doza taona vitsy lasa ity fotodrafitrasa ity, ka nitondra ny fanavaozana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ny eo anivon’ny Pnud. Nohararaotin’ny minisitry ny Fitsarana koa izao diany izao, nitsidihana ny fonja tany an-toerana, ka nitafany mivantana tamin’ireo mpandraharaha ny fonja any Morombe.

Anisan’ny niatrika izany ireo tompon’andraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ireo tompon’andraiki-panjakana voafidy sy voatendry any an-toerana.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique