Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. 

Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.

CMS

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique