Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi

Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi

Tonga teto Toamasina ny iraky ny fitantanana foibe ny Jirama avy any Antananarivo, omaly talata, nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny orinasa ProGsi, miandraikitra ny fiambenana ny Jirama aty Toamasina. Voalaza fa antondian’izy ireo ny hanala ity orinasa ity, tsy hisahana izany fiambenana izany intsony. Nilaza ny tompon’andraikitry ny ProGsi, Rakotoniahy Josephat, fa “tsy olana amin’izy ireo ny hiala, saingy takiny ny taratasy ara-dalàna milaza izany fifanarahana arak’asa izany, saingy tsy nisy”. Nomarihiny fa “tsy mbola tapitra ny fe-potoana nifanarahany amin’ny Jirama, ary vao nohavaozina ihany koa. Tsy mbola voaloan’ny Jirama koa ny karaman’ny ProGsi, tao anatin’ny valo volana. Amin’ny maha mangarahara, tsy nisy koa ny antso tolobidy (appel d’offre) ho an’izay hiandraikitra ny fiambenana raha toa ka foanana ny fifanarahany”.

Taorian’ny fihaonan’ny roa tonta, fantatra, afaka manohy ny asany ihany ny ProGsi.

Hentitra amin’ny fiambenana

Sarotiny ity orinasa ity amin’ny fanatanterahany ny asa. Hentitra ny fisavana ny olona mivezivezy ao anatain’ny Jirama. Maro ireo mpiasan’ny Jirama tratra nangalatra, amina tapitrisa ny tentimbidin’ny entana tratra, toy ny taribin-jiro, ny kaontera, fitaovana samihafa. Saron’ity orinasa tsy miankina ity koa ny fifanarahana hafahafa nataon’ny tompon’andraikitry ny Jirama sy ireo mpangalatra fitaovana tany Ambodilazana. Nahatratra 207 litatra ny gazoala tratran’ny mpiambina nangalarin’ny mpiasa, ny taona 2014.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.