Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona

Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona

Dahalo miisa enina indray nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Ianabinda, distrikan’i Betroka, ny 11 aogositra 2019 misasakalina. Rehefa naheno koika na hazolava (antso vonjy) ny fokonolona iray tanàna dia samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany namaly ireo tifitra variraraka nataon’ny dahalo. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin’ny omby miisa 25. Raikitra ny fifanenjehana ka niarafara tamin’ny fifandonana indray  izany, dahalo iray lavo ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby raha mbola any am-pelatanan’ireo dahalo kosa ny omby miisa 11. Mbola manohy ny fanarahan-dia ireo fokonolona miaraka amin’ny zandary any an-toerana sy ny Usad. Tsapa fa tsy manaiky lembenana amin’ny asa ratsy ataon’ny dahalo intsony ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka. Manampy mivantana ireo mpitandro filaminana ny fokonolona ary ahitam-bokany toy izao izany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.