Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatanjahantena ao Toamasina: nomena sehatra ireo ankizy

Nisongadina ireo katitakelin’ny Ascut, mpanao basikety tetsy amin’ny kianja mitafon’i Soavita, ny asabotsy 10 Aogositra teo nandritra ny lalao fihantsiana sy fanazarana, nikatrohany tamin’ny Sepa ( Sport Education Pour l’ Avenir), lahy sy vavy, latsaky ny 12 taona.

Teo amin’ny tovovavy, lavon’ny Sepa ny Ascut raha resin’ny Ascut kosa teo amin’ny tovolahy. Raha tsorina, natokana ho an’ny ankizy zanaka fianakaviana sahirana ny “Sepa” ka tsy mandoa saram-pianarana eo anivon’ny sekoly, fianarana milalao basikety, raha mifanohitra amin’izany kosa ny an’ny Ascut. Na izany aza, mahavelom-bolo avokoa ny

fahitana ny hoavin’ny basikety, eto Toamasina.

Ankoatra izay, tontosa, ny alahady 11 aogositra, tetsy amin’ny araben’ny fahaleovantena kosa ny andiany fahadimy amin’ny hazakazaka lavitrezaka 10 km, nandraisan’ny atleta avy atsy La Reunion, izay niantoka ny amboara sy medaly. Norombahin-dRamadimbisoa Eugene, ny voalohany, nahavita izany tao anatin’ny fe-potoana, 40 mn 20 s, ho an’ny “veteran+ 45”, raha i Laurence Ange Annie, ny teo amin’ny vehivavy, nahatontosa izany tao anatin’ny 1 ora  sy 25 s. Teo amin’ny “senior” vehivavy, voalohany, i Hasina Florine, ary i Todilahy Joseph, ho an’ny lehilahy.

 

Sajo

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique