Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahatongavan’ny papa François: nametraka lamina sy fepetra ny Emmo/Nat

Fahatongavan’ny papa François: nametraka lamina sy fepetra ny Emmo/Nat

Zava-dehibe eto amin’ny firenena. Vory  lanona tetsy amin’ny Toby  Ratsimandrava, omaly ireo olobe eo anivon’ny fitandroana  ny filaminana sy ny avy amin’ny fitaterana ary  koa ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Maherin’ny enina  hetsy ireo mpino ho avy ka  niompana amin’ny fepetra horaisina momba izany ny fivoriana.

Nambaran’ny kaomandin’ny  zandarimariam-pirenena, ny  Jly Andrianjanaka  Njatoarisona tamin’izany fa tsy maintsy raisina ny fepetra satria marobe ireo vahoaka sy ny kristianina ho avy  amin’izany fitsidihana ataon’ny papa François eto amintsika  izany. Maherin’ny 600  000 izy ireo ka  ny 500  000 avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo raha avy any amin’ny  diosezy hafa kosa ny ambiny, amin’ireo nisoratra anarana.  Hisy ny fandaminana  tsy maintsy atao, araka ny nambarany. Anisan’izany  ny eny amin’ny seranam-piaramanidina. “Olona voatokana sy  voafaritra ihany ireo mitsena eny  Ivato. Tahaka izany koa amin’ireo lalana izorany ka tokony  handray ny fandaminana ny rehetra mba hizotra araka ny tokony ho izy ny  fahatongavan’izany  raimandreny izany”, hoy  izy.

Maherin’ny 7 500 ireo mpitandro filaminana 

Tahaka  izany koa  ireo toerana rehetra hotsidihin’ny papa François : Andohalo, Amparibe, Toby Akamasoa sy  Mahatazana…   “Tsy maintsy  ho hentitra izahay  mba  hipetrahan’ny filaminana. Efa voatokana avokoa ny  olona afaka mandeha amin’ireny faritra ireny”, hoy  ihany izy. Natsidiny koa fa  efa misy ny  toerana natokana  ho an’ny  fiara ary ny tokony handehanana an-tongotra mba tsy  hampitohana ny fifamoivoizana.  Hanetsika mpitandro filaminana 7 500 ny fitondrana amin’izany.  Nanterin’ny prefet-n’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo kosa, fa mbola hojerena manokana ny fiahiana ny fandriampahalemana andavanandro tsy hiseho ny fanararaotana ataon’ny jiolahy. “Hojerena amin’ny Emmo/Nat izany ary tsy misy tokony hifanilika andraikitra”, hoy izy.

Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina

Ankoatra izany,  efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny Amerikanina amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny fotoana ahatongavan’ny papa François. “Hisy ny fifandraisana tsy tapaka  amin’ny masoivoho eo amin’ny fampitana  vaovao. Mifanila  rahateo ny toerana hivantanan’ny delegasiona tarihin’ny Ray Masina sy ny toeram-ponenan’ireo diplaomaty amerikanina sasany”, hoy ny Jly Ravalomanana, afakomaly.

Ho an’ny antokon-draharahan’ny fitaterana (ATT) indray,  hojerena manokana ny momba ireo fiara sy ny fitaterana. Ny toerana iaingana sy ny fahatongavana, avy amin’ireo diosezy miisa 21. Tokony hampiasa fiara hatrany amin’ny 4  000 mahery  nefa tsy tokony hampiato ny fitaterana andavanandro any amin’ny faritra izany.

Tsiahivina fa hisy hatrany ny fivoriana isan-kerinandro ataon’ireo tompon’andraikitra rehetra ireo, amin’izao herinandro vitsy hahatongavan’ny avy any Vatikana izao.

Synèse R.  

 

Les commentaires sont fermées.