Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.

Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.

Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.

Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.

Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.