Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

Misoko mangina, tsy re tsaika.  Efa mandeha ny IEM ary anisan’ny nisitraka izany ireo tantsaha any Vakinankaratra.  Nidina ifotony tany an-toerana ny filoha Rajoelina, omaly.

Nihaona mivantana amin’ireo tantsaha nahazo ny fanohanana.

Mipaka aty amin’ny tokantranonay mihitsy, Andriamatoa filoha, ilay IEM », hoy ny renim-pianakaviana tao Andranomanelatra Antsirabe.  Fito  ireo nahazo famatsiam-bola ary kendrena hahatratra 800 ny hisitraka ny fihariana sy homena omby, hatramin’ny faran’ny taona any an-toerana. Nahazoana ronono 5 litatra isanandro ny  ombivavy teo aloha. Maherin’ny 20 litatra izany izao.  “Hisy veterinera maimaimpoana hanaraka ny fahasalaman’ny omby eto amin’ny fikambanan’ny tantsaha Sandratra. Homena fiofanana ianareo.  Afaka mametraka dosie  ireo  tsy mbola nahazo omby…  Efa nampanantena ny Socolait  fa hividy ny ronono”, hoy ny filoha Rajoelina. Nambarany fa mbola hisy koa ny fiompiana akoho sy ny fanomezana lalam-barotra ho azy ireo. Nampanantena  ny  hanampy eo amin’ny fitaovana na vola na koa zezika sy masomboly  ny filoha. Natsidiny koa fa hitsangana tsy ho ela ny orinasa mpanamboatra “Plaque solaire”. Ho avy ny “kits solaires” ka  hahazo izany voalohany ny ao Andranomanelatra.

Ho avy ny fitaovana hanamboaran-dalana

Ho an’ny tao Manandona kosa indray, misitraka ny tetikasa fihariana ny fianakaviana miisa 20 eo ho eo ary  mamboly velaran-tany 30ha. Eo koa ny fiompiana kisoa matavy. Mamboly vary, ny tongolo, ny ovy, ary legioma koa  izy ireo. « Tokony hijery ny tsena any ivelany ny tantsaha ary tokony ho matihanina fa tsy hijanona amin’ny fambolena sakafo ao an-tokantrano fotsiny”, hoy izy. Notsiahivina ny velirano hanampiana ny tantsaha. Fanoitra lehibe amin’ny fahantrana ny fanampiana ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny nambarany. Hahazo omby maherin’ny 800 ny tantsaha ao Andranomanelatra, mialoha ny faran’ny taona. Hahazo koa ny ao Manandona. Notsiahiviny fa homena fitaovana daholo ny faritra  rehetra.  Anisan’izany ny  “Tracks sy ny Bulls” hanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina. Hahazo fiara fitondrana marary koa ny ao Manandona…Nomena toromarika ny tompon’andraikitra hijery ny fampiasana izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.