Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady tany ao Ambatolampy: nahazo rariny avy amin’ny Fitsarana ny mpitory

Araka ny didin’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatolampy, Raoelison Jocelyne Eliette tao amin’ny efitrano fahefatra ao amin’ny lapan’ny Fitsarana Ambatolampy, hita ny fangatahana ao ambadika sy ny antonantony novelabelarin’ny mpangataka. Miaraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-232 sy ny manaraka ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny paika ady madio. Hita ny didim-pitsarana ady madio laharana faha-63 tamin’ny 5 marsa 2019, navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatolampy izay noheverina ho toy ny natrehin-dRasoanirina Aimée ary dia ekena ny fangatahana nataon-dRanaivoarison Rolland ary nomen’ny Fitsarana alalana hamoaka an-gazety ny votoatin’ny didim-pitsarana. Noho ireo antony ireo, araka ny fanazavan’ny fitsarana dia ekena ny fangatahana nataon-dRanaivoarison Rolland ary omen’ny fitsarana alalana izy hamoaka ny votoatin’ny didim-pitsarana ady madio laharana faha-63 tamin’ny 5 marsa 2019 navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatolampy izay mandidy ny hanafoanana ny fanohanana nataon-dRasoanirina Aimée teo anatrehan’ny Bif Antanifotsy. Lazain’ny Fitsarana fa ity didy ity dia tsy azo ampiharina raha tsy tapitra ny 30 andro ary izany dia isaina manomboka ny daty anavaona ny famoahana an-gazety voalaza etsy ambony.

Randria

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique