Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny mpifindra monina: mahazo vahana ny halatra omby ao Andranomiditra  

Anisan’ny olana nitranga niaraka amin’ny fahatongavan’ny mpifindra monina ao anatin’ny faritra manodidina ny valanjavaboary ao Ankarafantsika ny tsy fandriampahalemana, araka ny fanazavan’ny sefo fokontany ao Andranomiditra, Lebizandry Richard, kaominina Tsaramandroso, distrikan’Ambato Boeni. Ny taona 2013,  nanomboka tonga tsikelikely ireo mpiavy, namboly, efa-taona taty aoriana vao nanao be fiavy. Anarivony izy ireo ankehitriny miparitaka amin’ny tokantrano anjatony. Ny tena olana rehefa mafanafana ny fanenjehana ny fandripahana ala ataon’ izy ireo, lasa mody any aminy aloha ireo mpifindra monina. Mandeha andiany izy ireo rehefa mamboly ary manana fitaovana toy ny pilotra sy antsy lava ka matahotra azy ireo ny mponina ao Andranomiditra. Ny volana oktobra sy novambra ireo mpiavy no tonga mamonjy ny atiala mamboly sy manao arina fandrehitra. Tsy misy azon’ny mponina mivelona manodidina ny ala atao fa mitazam-potsiny.

Nanomboka ny taona 2017, nirongatra ny halatra omby ao anatin’ny fokontany, tsy latsaky ny 70 ny omby very nefa talohan’izay, tsy nitrangna fahaverezana, tahaka izany, hoy ny nambaran’ny sefo fokontany ihany. Ny volana marsa lasa teo, omby dimy indray no nisy nangalatra. Mangataka ny hametrahana poste avancé ao anatin’ny fokontany izy ireo satria toerana saro-dalana Andranomiditra ka betsaka ny mpanararaotra. 186 tafo no mandrafitra ny fokontany izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Fantatr’izy ireo ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny atiala. Miaro ny rano, ny ala ary manampy amin’ny fiveloman’ny vahoaka.

Mangataka CSB ny mponina

Manana EPP tokana ny fokontany ka rehefa afaka fanadinana BEPC tsy maintsy mandeha any amin’ny kaominina Tsaramandroso. Rehefa misy mpiteraka ka voatery mandeha hopitaly noho ny hamehana, entina sarety amin’ny lalana 17 km ilay vehivavy mamonjy an’i Tsaramandroso ihany koa. Mangataka ny hanorenana CSB amin’ny fitondrana ny mponina fa sahirana rehefa tojo tsy fahasalamana, indrindra rehefa fahavaratra. Hahatsara ny fambolena, tokony hamboarina ny tohodrano hanondraka ny voly sy hikarakarana ny biby fiompy. Nitondra ireo fitarainana ireo tamin’ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny Madagascar national Parks, dokotera Rakotoarijaona Mamy ny sefo fokontany ,nandritra ny fidinana ifotony nijery ny olana amin’ny fandripahana ny ala.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.