Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa

Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa

Tany Maevatanana sy Antanimbary ny vaomiera manokana Task force, ahitana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana, ny asa sosialy (MEFPTLS), ny herinandro lasa teo. Fotoana nanentanana sady nampiofanana ny mpampiasa amin’ny orinasa tsy miankina hanara-dalàna, hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao anatin’ny CNaPS. Efa fanaon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Tahirim-pirenena rahateo ny fanofanana mikasika ny fiahiana sosialy. Niisa 10 ireo mpampiasa tsy nanara-dalàna tamin’ireo 25 notsidihina tany amin’ny manodidina an’i Maevatanana. Tany Antanimbary, tsy nanara-dalana, tsy nampiditra ny mpiasa amin’ny CNaPS ny 12 tamin’ireo 15 notsidihina. Tao an-tampon-tanànan’i Maevatanana, tsy mpikambana CNaPS ny efatra tamin’ireo orinasa dimy notsidihina. Raha aravona, tsy mpikambana CNaPS avokoa ny 87%-n’ny mpiasa amin’ireo orinasa 30 notetezina tany Maevatanana sy Antanimbary.

Fanajana ny zon’ny mpiasa

Niara-nanatanteraka ity hetsika ity ny talem-paritry ny Asa Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy maromaro, ny tompon’andraikitry ny CNaPS foibe sy ny tendro any Maevatanana. Nilaza ny talem-paritry ny Asa, Andriampaniraka Dinaniaina, fa “fiaraha-mientana amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa izao natao izao”. Nambaran’ny talen’ny Fitantanana ny mahaolona CNaPS, Raobijaona Bruno, fa “nanamafy ny fanaraha-maso ny mpampiasa sy ny mpiasa izao fidinana nifotony izao”. Anisan’ny afa-po tamin’ny fiofanana kosa ny Dr. Rabarisolo Lovaniaina, anisan’ireo mpiofana.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique