Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalàna ho  an’ny fanoherana: miantso ny hevitry ny rehetra ny Antenimierandoholona

Ny fanjakana ihany ve no hanao ny lalana ho an’ny  fanoherana ? Nilaza ny fiarahamonim-pirenena  fa tokony hisy ny fakan-kevitra ary mampirisika izahay mba hiantso  ny mpanao politika eto amin’ny firenena  na anaty fitondrana na  tsia hiaraka hiady hevitra.  Mba ho  marim-pototra ny  lalàna.  Aoka isika  tsy hanilika fa hivelatra eo amin’ny adihevitra hanatsarana ny firenena izany ary fototry ny demokrasia ”, hoy  ny filohan’ny Antenimierandoholona,  Rakotovao Rivo, omaly tetsy Anosikely. Nisokatra, omaly koa  ny fivoriana  tsy ara-potoana ho an’ity Andriampanjakana ity ary anisan’ny lahadinika ny momba ny lalàna ho an’ny fanoherana sy ny fanoloran’ny governemanta ny fandaharanasa ankapoben’ny  fanjakana (PGE).  Nohitsiny fa  tsy tokony  ho endrika ivelany fotsiny ny fanekana ny fisian’ny mpanohitra.  “Tsy hanongam-panjakana eny an-dalambe izy ireo fa ho  arofanina ho an’ny fanjakana…  Ilaina  ny  fifandimbiasam-pitondrana ka hokajina izany lalàn’ny fanoherana izany  fa tsy ho fitaovana hampanginana ny tsy mitovy hevitra”, hoy izy.

Nanombohan’ny lahateniny kosa ny  fahasahiranan’ity Antenimierandoholona ity eo amin’ny vola, saingy nanteriny fa manaja ny ara-dalàna sy ny Repoblika izy ireo.  “Nisy  fahataran’ny vola avy any amin’ny minisitera, saingy niezaka izy ireo namaha ny olana”, hoy izy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique