Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo

Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo

Mbola olana goavana ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Mijery ny famahana izany akaiky ny avy amin’ny sehatra tsy miankina maro, mampisy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny kaominina Sarobaratra, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy.   

Tompon-kevitra tamin‘ny famolavolana ny tetikasa ny Patmad (1), tarihin’i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo ; ny CEAS (2) ; ny Aider (3); ary ny orinasa WeLight Madagascar miandraikitra ny fitantanana ny famatsiana. Efa misy traikefa vitan’izy ireo momba izany famatsiana herinaratra izany, hita any Andevoranto (Atsinanana), Sandrakatsy (Analanjirofo), Betsiaka (Diana), Bemaneviky (Diana), ary izao vita any Sarobaratra izao, sy izay mbola hatao any amin’ny kaominina ambanivohitra hafa.

Natomboka ny taona 2017 ny asa fanamboarana tohodrano mamokatra herinaratra ao Andriamamovoka, fokontany Fialofa, sy ny andrin-jiro, nataon’ny orinasa Sagemcom. Teknisianina malagasy avy amin’ny fikambanan’ny injeniera ho an’ny fampandrosoana ny angovo any ambanivohitra (Aider) nisahana ny asa manontolo hatramin’ny fametrahana milina (turbines). “Manana teknisianina ampy sy mahay ny Malagasy, betsaka ihany koa ny fikarohana vitan’ny tanora avy amin’ny Polytechniques, nefa tsy voatrandraka”, hoy i Dama. Koa izao porofoin’ny Patmad sy ny Aider izao izany fahaiza-manao izany.

“Tokony hohararaotin’ny fitondram-panjakana ny fiaraha-miasa amina sehatra tsy miankina toy izao, raha misy tokoa ny finiavana hampitombo ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Tsy azo antenaina hahavita izany raha ny Jirama”, hoy ny teknisianina iray. Matoky azy ireo tanteraka ny mpamatsy vola : COI, sampana angovo ; FGC (4) ; ary ny Repic (5) ; niampy ny  vola nampiasan’ny WeLight Madagascar. Ireo rehetra ireo amin’ny ankapobeny 393.000 euros (1,572 miliara Ar) nahavitana io tetikasa io.

Mahita sy mahatsapa ny fijalian’ny mponina any ambanivohitra izy ireo, izay tsy misy afa-tsy 5 % monja ny mahazo famatsiana herinaratra amin’izao taonjato izao. Ny rano anefa misy, miampy ny rivotra sy ny masoandro, tsara ho trandrahina hahazoana angovo azo avaozina.

 

R.Mathieu

 

 

Patmad (1) : Partenariat technique à Madagascar

CEAS (2) : Centre écologique Albert Schweitzer Suisse

Aider (3) : Association des ingénieurs pour le développement des énergies renouvelables

FGC (4) : Fédération Genevoise de coopération

Repic (5): Renewable energy promotion in international cooperation

 

Les commentaires sont fermées.