Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hisantatra ny BEPC katolika ny sekoly miankina amin’ny fiangonana katolika, ny alatsinainy 19 aogositra ka hatramin’ny alakamisy 22 aogositra ho avy izao. Fotoana hitsapan’ny mpiadina ny fari-pahaizany sy hanitsiana ny lesoka izany. Ho an’ny CEPE katolika farany teo, misy ny sekoly efa nahavita ny fitsarana sy namerina ny kopia teny amin’ny mpiadina, tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny, hoy ny mpampianatra.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny faran’ny herinandro, miatrika ny fanadinana hifindrana kilasy ny mpianatra tsy hanao fanadinam-panjakana ho an’ny sekoly tsy miankina. Ny faran’ny volana vao hitsahatra tanteraka ny fampianarana ho an’ny taom-pianarana 2018-2019. Mbola nandoa saram-pianarana volana aogositra avokoa ny ankamaroan’ny sekoly.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique