Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: kolikoly roa karazana ny iray mandoto ny iray hafa mandoza

Tsy misy angamba eto amin’ny fiarahamonina olona afaka hirehareha ho madidio tsy mbola voapentin’izany hoe kolikoly izany, na tamin’ny fandraisana anjara mivantana na niharan’ny fampiasain’ny sasany azy. Eo am-pandraisan’anjara mivantana moa matetika tsy mahatsapa intsony ny fahamelohana atao tsy vitan’ny fiheverana an’ilay atao ho efa naman’ny fomba fa ilay izy koa efaina tsy satry, tsy maningana lalàna fa karazana haba tsy maintsy efaina takalon’ny fahafahana isitraka ny zo. Indraidray anefa ny tena ihany no iharan’ny etraketraky ny kolikoly ataon’ny olo-maventy sy matanjaka izay tsy henatra tsy tahotra amin’ny fanaovana kopo-soroka andiganana filaharan’olon-tsotra maro. Mandoto rivotra eo amin’ny fiarahamonina moa ny fihetsika toy izany nefa tsy miteraka fahasorenana tafahoatra efa lasa karazan’ny lokon-drivotra iainana, tsy afaka ho lazaina koa ho fanefitry ny kitapom-bola-panjakana satria tsy mampihena ny vola tokony aloha sandan’ny fanaovana an’izay taratasy nilain’ny tena. Eo amin’ny fitsikombakombana fanodinana vola tokony ampidirina any amin’ny kitapom-bola-panjakana no misaraka sampany iray hafa ny kolikoly. Loza no aterak’ity fanao iray amin’ny fanimbihana vola-panjakana toy sanatria kapaina tsy hita fery ny fanjakana sy ny firenena. Araky ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Douanes ny iraimbilanja niditra ampaosin’ny mpiasa-panjakana sy ilay iraimbilanja tombombarotra maloto nositrahan’ilay mpividy ny fanahin’ilay mpiasa-panjakana dia mitentina ariary maromaro amam-polo aman-jato izay mampihena ny herin’ny fanjakana ka mahatonga ny firenena ho osaosa toy izao : ny nosy mifono harena, ny fanjakana ao anatin’ny fahasahiranana tsy mahafehy ny adidiny, ny vahoaka mitsipozipozy, olom-bitsy no mitsikafona ambonin’ny tsikokon’ny maro.

Tsy afaka no tsy ho resahana koa anisan’ny fanaovana kolikoly avo lenta, ny fanodinkodinana lalàna mitarika ny fanjakan’ny tsy rariny eny amin’ny fitsarana. Ny hany lalàna mihatra hoy ny malama vava dia ny lalàna kely làlana nohon’ny alafosan’ny sanda ahafahana mizotra amin’ireo couloir ireo. Avo ambonin’ny avo efa azo lazaina ho fivarota-tanindrazana moa ny fifanarahana sy takalo maizina sandan’ny fanomezan-dàlana maro karazana mikasika ny fitrandrahan-karena sy momban’ny fanomezana tsy manara-penitra soritr’asa iantohan’ny fanjakana.
Midadasika toy izany ny tontolon’ny kolikoly, maro ierehana arak’izay ireo sampana nampandraiketana ny fanenjehana ny eloka manerana an’izany, tsy andingana firy raha kely sokatry.


Léo Raz    

 

Les commentaires sont fermées.