Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.