
Niompana tamin’ny fandokoana ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny fambolena voninkazo eo amin’ny CSB II Ampahimanga Ambohimanambola ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.
Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny VMMM. Ankoatra izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa tao amin’ity CSB II eny an-toerana ity.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.