Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fasan’ny Karana: MD ilay mpamily kamiaobe nahafaty mpitarika sarety

Naiditra am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny mpamilin’ilay kamiaobe nahavanon-doza nifaoka sarety miisa enina teny Fasan’ny Karana, ny zoma lasa teo ka nahafaty tovolahy iray. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), ny alarobia lasa teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity teny Fasan’ny Karana. Kamiaobe iray avy any Vontovorona nentina mpamily haterina any amin’ny orinasa hiasany eny By-Pass no nifanena tampoka tamina fiara hafa. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily kamiao ka nifatratra tamina sarety miisa enina nipetraka teo amoron-dalana. Lasa nandositra ny mpamilin’ilay kamiao rehefa avy nandona ireo sarety. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao fizahana ny zava-misy. Maty voatsindry tao ambany kamiaobe ilay niharam-boina. Natory tao anatin’ilay sarety izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka maty tsy tra-drano. Nokarohina ilay mpamily nahavanon-doza ary nitolo-batana teny amin’ny BAC. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.