Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanalam-baraka: hametraka fitoriana ny Hafari Malagasy

« Manoloana ny fanaratsiana sy fanalam-baraka natao anay tamin’ny gazety momba ny filazana fa nibodo tanin’olona an-keriny mirefy 371 ha tany Andranomena Analavory ny Hafari Malagasy dia tsy hipetra-potsiny amin’izao izahay fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana », hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly momba ity raharaha ity. Nohamafisiny hatrany fa lainga sy tsaho iniana ataona mpanambola iray malaza eto an-drenivohitra io mba hanenjehana sy hanaratsiana azy ireo ary misy olona voakarama hamoaka izany fanalam-baraka izany. Tsy misy tanin’ny Hafari any Andranomena Analavory ary tamin’ny fotoana nilazan’ireo mpanely tsaho dia mbola tany am-ponja ny filohan’ny Hafari, araka ny nambarany. Nilaza izy fa miezaka mangina izahay satria fantatray fa misy fanjakana mijoro ara-dalàna eto ary tsy misy ambonin’ny lalàna. Miantraika mivantana amin’ny fiainan’olona ny fanalam-baraka toy izao ary tonga hatrany amin’ny resaka hoe hala-tsonia mihitsy aza izany. Nisy ny fivoriana niarahan’ny mpikambana rehetra, ny zoma teo ka tamin’izany no nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra fa tsy hipetra-potsiny amin’izao raharaha izao. Misy olona ambadik’izao ka ny Hafari no ataony fitaovana, hoy izy.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique