
Sehatrasa tena vitsy mpila ny fanjairana akanjon-dehilahy. Tanàn-dehibe Ambatondrazaka, nefa sarotra ny mahita olona manjaitra pataloha. Any amin’ny 12 km, vohitra tsy ao anatin’ny kaominina renivohitra akory vao mahita lehilahy manaiky manao izany asa izany ! “Ny fitobahan’ny lamba tonta na friperies no mahatonga izao”, hoy ny mpanajary akanjo efa nampiasaina ( retaillage). Mora lavitra no ho ny mividy ravin-damba sy manarama mpanjaitra tokoa ny vidin’ny akanjo tonta. Ary feno misavovona, ity karazam-pitafiana tokoa ny efitrano fiasan’ity rangahy mpanao retaillage.
Fa velon-taraina koa ireo mivarotra akanjo vaovao “zaitra an-tsena”. Manahirana ny tantsaha tambanivohitra izany hiakanjo fitafiana efa nipetaka tamina hoditr’olona hafa izany. Ka dia izy ireny no tena mpanjifa mavitrika ny “zaitra an-tsena”. Saingy ankehitriny…efa mirona any amin’ny fripy koa izy ireny : maro isafidianana sy be haingony ireo avy any Sina ka mahasarika.
Vokany : saika tsy misy mihodina intsony ireo orinasa mpanenona lamba, namelona tokantrano maro.. Ireo foibe manofana ho mpanjaitra koa moa, toa ny akanjom-behivavy fentina mianjaika ny betsaka .
Fanamby lehiben’ny mpitondra, hisian’ny fandrosoana, ny famoronana asa. Angamba rehefa mihatsara ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hiverina hividy ravin-damba sy hampanjaitra indray izy… Dia ho afaka hitrena, toy ny Barea, indray ny Sotema, ny Cotona…
Rarivo
Les commentaires sont fermées.