
Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny “musulmane Ahmadiyya de Madagascar”, eny Andavamamba, omaly ny fetin’ny fakan-tahaka “eid ul Adha” ny nataon’i Abrahama, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Baiboly. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mudassir, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka, nataon’i Abrahama izay nanaiky hanao sorona ny zanany noho ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nosoloin’Andriamanitra ondry anefa izany satria tsapan’Andriamanitra ny fitiavan’i Abrahama ny zanany izay nekeny hatao sorona. Niainga avy amin’io finoan’i Abrahama io no notsarovana, omaly tamin’ny fanaovana sorona biby (famonoana omby) mba hankalazana ny fakan-tahaka tsara ny nataon’i Abrahama. Nozaraina ho an’ny mpiara-belona ny hena ary efa fanaon’ny Ahmadiyya maneran-tany ny fanamarihana toy izao noho ity fankatoavan’i Abrahama an’Andriamanitra ity. Fitiavana, tsy fankahalana, miasa manerana izao tontolo izao, fifankatiavana, fihavanana, manampy ny olona sahirana sy ny mahantra ary manameloka hatrany ny herisetra sy ny fampihorohoroana, ny foto-kevitra napetraky ny Ahmadiyya hatramin’izay. Mitsinjo ny olona sahirana amin’ny alalan’ny fanabeazana ny Ahmadiyya ary mandray an-tanana manokana ireo ankizy te hianatra, kanefa tsy manana fahafahana amin’izany, indrindra ireo eny amin’ny faritra iva.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.