
Tsy afaka ny hitazam-potsiny. “Velirano nataon’ny filoha Rajoelina ny hisakafoanan’ny vahoaka malagasy ara-dalàna”, hoy ny depiote voafidy etsy amin’ny boriborintany III, Anyah, omaly. Namaly ny hetahetan’ireo tompon’andraikitra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny EPP miisa 13 eny an-toerana ny tenany ka nanatanteraka ilay tetikasa “Tohan’aina” . Nihena ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra. Nilatsaka ambany koa ny taham-pahaizan’ireo ankizy. Hany mba nahazo naoty tsara eo amin’ny kilasy fahafito ny12%-n’ny mpianatra amin’ireo EPP. Anisan’ny anton’izany ny tsy fanjariana ara-tsakafo mianjady amin’ireo ankizy mpianatra. Miantoka ny fahazotoan’ny saina sy ny vatana izany. Araka izany, tetikasa natao hiantohana ny tohan’aina ho an’ireo ankizy indroa ao anatin’ny herinandro iray izao tanterahin’ny depiote Anyah izao. Hitohy hatrany amin’ny andro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE izany. “Tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa “tohan’aina” ity ny hampiakarana ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra hianatra, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fotoam-panadinana izao. Hampiakatra koa ny tahan’ny mpianatra afa-panadinana. Hoezahina haparitaka ho an’ny kilasy rehetra ary hihitatra hatrany amin’ny CEG, ho an’ireo hanala ny fanadinana Bepc izany”, hoy ihany ny depiote.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.