Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana

« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana

Mifanome fotoana, ao amin’ny Studio Rary ao amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, indray ireo matihanina amin’ny soradihy sy ireo rehetra mankafy sy liana amin’izany, androany. Ity ny fotoam-panokafana ny « Labdihy » andiany fahavalo, hetsika novolavolain’i Ariry Andriamoratsiresy ary tontosaina isaky ny roa taona.

Miavaka amin’ireo hetsika mahakasika ny dihy ankehitriny ny « Labdihy », izay sehatra iray hanomezan’ny tsirairay, ireo matihanina amin’ny soradihy, ny aingam-panahiny sy ny talentany ary ny teknikany, ahafahana mamoaka zava-baovao. « Labdihy » na laboratoara ho an’ny dihy, fotoana natao hanaovana fikarohana.

Miompana amin’ny hoe “Ny fetra sy ny faritra eo amin’ny seha-javakanto samihafa” ny lohahevitra amin’ity andiany fahavalo ity. Ankoatra ny tanora mpanao soradihy eto an-toerana, maromaro ireo vahiny namaly ny antso, toy ny avy any Maorisy, Mozambika ary Rodrigues.

Aorian’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina, hitohy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina sy ao amin’ny IFM etsy Analakely ny fifanakalozana sy fikarohana hataon’ireo mpanao soradihy, hatramin’ny 24 aogositra izao.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique