Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika”

KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika”

“Ho anay, tsy ratsy ny fifampidinihana. Saingy tsy misy antony tokony hifampidinihana io, fa alefaso aloha ny fifidianana. Raha hifampidinika, aleo aloha vitaina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina; avy eo, mifampidinika: ahoana amin’izay ny hitondrana ny fifidianana manomboka eo?”

Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Raha ny tena izy, tokony ho tamin’ny 31 jolay no natao io fifidianana io. Satria tamin’ny 15 jolay 2015 ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Tamin’izany no efa fantatra fa efa-taona ny fe-potoam-piasana.

Na inona na inona hatao eo, tsy misy fifidianana tonga lafatra izany. Araka ny fanambarana misesisesy efa nataon’ny KMF/Cnoe, hatrany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no efa niresahana an’izay: tsy misy ny hala-bato, fa ny hosoka no tena misy. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny fomba fanaovana hosoka tena mahomby indrindra.

Mila fahazoan-dalana hikitika lisi-pifidianana ny Ceni

Tsy afa-manao hosoka izay te hanao izany, raha mandeha mifidy avokoa ny olom-pirenena tokony hifidy. “Ny olana: tsy miasa saina isika, fa rehefa vita ny fifidianana vao mimenomenona”, hoy izy. Vokany, afa-manao hosoka ny mpanao izany. Ny Ceni koa manao ny atao. Amin’izao, tsy misy lalàna mivoaka manome alalana azy hikitika lisi-pifidianana, nefa sahiny manao izany.

Raha misy ny fifampidinihana, tokony homen’ny fitondram-panjakana alalana aloha ny Ceni hahazoany mikitika ny lisitry ny mpifidy. Satria tsy ara-dalàna ny fikitikitihana ny lisitry ny mpifidy ataony amin’izao.

Nambarany koa fa misy ny tsy fahavononana hanao fifidianana, satria tsy manana kandidà ny sasany: matahotra sao tsy voafidy ny olony. Nefa tsy fanemorana fifidianana no misy amin’izao fa fahatarana. Tsy mbola misy daty hoe hanatanterahana ny fifidianana. “Raha hatao amin’ity taona ity ihany ny fifidianana, tokony ho amin’ny tapaky ny volana novambra”. hoy ihany izy. Tokony ho amin’ity tapaky ny volana ity izany ny fihaikana mpifidy.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique