
Niampy iray indray ny evekan’i Madagasikara. Nanafatrafatra ny mpino sy ny vahoaka ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tetsy Mahamasina, omaly. Nitodika amin’ny eveka mpanampy vaovao, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal ny tenany nefa koa nanipy teny ho an’ny vahoaka sy ny mpitondra. “Aoka ho mendrika amin’ny andraikitra nomena sy hanana finoana… Misongadina amin’ny hafatr’i Jesoa ny fanompoana. Tokony hiaina izany isika. Fanompoana tsy izy no ataontsika ka anisan’ny mahatonga ny fahantrana sy ny fahasahiranana izany. Tsy mahazaka fahoriana ny hafa… Tsy mifanompo… Zava-poana raha tsy manompo an’Andriamanitra sy ny namana isika ary arahina vavaka izany, araka ny hiram-pirenentsika…”, hoy izy.
Mendrika amin’ny fanendrena…
Nanontany tamin’ny fampianarany ny kardinaly Tsarahazana ny amin’ny maha mendrika na tsia ny fanendrena ny tena. Amin’ny andraikitra rehetra io. Niaiky ny tenany fa misy ihany ny ahiahy, saingy misava izany rehefa eo ny finoana. Notsiahiviny rahateo ny teny fanevan’ny eveka vaovao eto amin’ny arsidiosezin’Antananarivo : “Tompo o ! ianao no itokiko”.
Nialoha izany ny namakian’ny solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Paolo Rocco G. ny taratasy amin’ny teny latinina ny fanendrena nataon’ny papa François ny eveka mpanampy, Andriantsoavina ny 8 jolay teo. Niroso tamin’ny fametrahan-tanana sy fanamasinana azy, avy eo, ny eveka telo isany : Tsarahazana Desiré sy Razanakolona Odon ary Ranaivomanana Phillipe. Natao ny fanosorana menaka sy fametrahana ny bokin’ny evanjely teo an-dohany ary koa ny fampidirana ny peratra. Nitohy tamin’ny fanomezana ny satroka izany ary koa nampiambozona azy ny lakroa.
Nampihaonin’ny fanamasinana ny filoha amperinasa sy ny teo aloha
Narahin’ny fanomezana tehina, mariky ny maha mpiandry ondry. Nentina fiara nihodidina ny kianjan’i Mahamasina avy eo ny eveka mpanampy vaovao, notronin’ny Mgr Razanakolona Odona, ho mpiara-miasa aminy eto amin’ny diosezin’Antananarivo.
Niatrika izany ny filoha Rajoelina sy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana ary koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao mivady. Samy nankasitrahana avokoa izy ireo tamin’ny lahateny nifandimbiasana noho ny fanohanana sy fanampiana tamin’ny hetsika natao, omaly. Fa eo koa ny handraisana ny papa François, afaka iray volana latsaka. Mbola hifamotoana eny Amboara, Ambohidratrimo indray ny mpino katolika, ny 25 aogositra izao amin’ny fanamasinana pretra sy diakra.
Synèse R. / Tiana
Teraka ny 24 marsa 1969, izany hoe 50 taona ny eveka mpanampy Andriantsoavina Jean Pascal. Nohamasinina ho pretra, ny aogositra 2000. Ray mpiahy ny tanora sy ny FET ny tenany. Nandranto fianarana tany ampita avy eo ary nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny soratra Masina. Nampianatra ny fandalinana ny filozofia tao amin’ny seminera Antsirabe . 11 taona ny naha rektoran’ny fanofanana pretra azy tany Vakinankaratra. Nitondra ny distrikan’i Imerinafovoany izy mialoha izao fanendrena izao.
Les commentaires sont fermées.